Jeremiah 14:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay maminany amin’ny anarako ireo, nefa tsy nirahiko akory, ary milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin’ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’i Iaveh: «Ny amin’ireo mpaminany, maminany amin’ny Anarako ireo, izay tsy nirahiko, ka milaza hoe: Tsy hisy sabatra na mosary amin’ity tany ity! dia sabatra ama-mosary indrindra no handringana ireo mpaminany ireo!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa Izaho TOMPO no milaza ny amin’ireo mpaminany ireo hoe: Tsy naniraka azy Aho nefa nihambo haminany amin’ny anarako izy fa tsy hisy ady na mosary na areti-mandringana eto amin’ity tany ity. Koa ny ady sy mosary tokoa no handringana azy hatramin’ny farany.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo mpaminany izay maminany amin'ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin'ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay maminany amin’ny anarako ireo, nefa tsy nirahiko akory, ary milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin’ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.
malagasy