Jeremiah 14:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny firenena izay aminanian’ireo koa dia hiely eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra ny fatiny ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy; haidiko ao aminy ny faharatsiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny olona aminaniany koa: hatsipy eny an-dalamben’i Jerosalema, fa matin’ny mosary sy ny sabatra ka tsy hisy olona handevina azy, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zanany lahy aman-janany vavy, fa harotsako amin’izy ireo ny haratsiany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny vahoaka izay naminaniany koa dia hitsitra eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny ady sy ny mosary ka tsy hisy handevina ireo olona ireo, na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy. Izany no hanatsingerenako aminy ihany ny ratsy nataony.
Malagasy Bible 1865
Ary ny firenena izay aminanian'ireo koa dia hiely faty eny an-dalamben'i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra, ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany, na ny vadiny, na ny zananilahy, na ny zananivavy, fa haidiko ao aminy ny faharatsiany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny firenena izay aminanian’ireo koa dia hiely eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra ny fatiny ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy; haidiko ao aminy ny faharatsiany.
malagasy