Jeremiah 14:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mankany an-tsaha aho dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho dia indreo ny anan’ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mandeha mirenireny manerana ny tany ka tsy mahalala na inona na inona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha mankany an-tsaha aho, dia indreto olona voagorobaky ny sabatra; raha miditra ao an-tanàna, dia inty ny fahoriana avy amin’ny mosary. Ny mpaminany ama-mpisorona avy no mirenireny any amin’ny tany tsy fantany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha mivoaka eny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako; raha miditra an-tanàna aho, dia ireo matin’ny mosary no hitako. Ny mpaminany sy ny mpisorona dia mivezivezy eo amin’ny tany, fa tsy mahalala na inona na inona.
Malagasy Bible 1865
Raha mivoaka any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, dia indreo ny anan'ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin'ny tany tsy fantany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mankany an-tsaha aho dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho dia indreo ny anan’ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mandeha mirenireny manerana ny tany ka tsy mahalala na inona na inona.
malagasy
Raha mivoaka any an-tsaha aho, dia indreny ny matin-tsabatra! Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho, dia indreo ny anan'ny mosary! Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mirenireny mankamin'ny tany tsy fantany.[Na: ka tsy mahalala]