Jeremiah 14:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa narianao tokoa va i Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va i Ziona? Nahoana no dia mikapoka anay Ianao ka tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita soa; ary niandry andro fanasitranana, nefa indro fampitahorana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia narianao avokoa va i Jodà? Efa naharikoriko ny fanahinao va i Siôna? Nahoana no dia kapohinao tsy manam-pahasitranana izahay? Niandry fiadanana izahay, nefa tsy misy soa kely akory. Niandry fotoam-pahasitranana, kanjo fampitahorana no mitranga.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tompo ô, efa narianao tokoa ve i Joda? Efa naharikoriko Anao ve i Tsiôna? Nahoana no mikapoka mafy anay Ianao ka tsy misy mahasitrana anay? Nanantena fiadanana izahay kanjo tsy nisy soa akory, ary niandrandra fotoam-pahasitranana kanjo indro zava-mahatahotra.
Malagasy Bible 1865
Efa narianao tokoa va Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va Ziona? Nahoana no dia mamely anay Hianao, ka efa tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita asa, ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa narianao tokoa va i Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va i Ziona*? Nahoana no dia mikapoka anay Ianao ka tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita soa; ary niandry andro fanasitranana, nefa indro fampitahorana.
malagasy
Efa narianao tokoa va Joda? Efa naharikoriko ny fanahinao va Ziona? Nahoana no dia mamely anay Hianao, ka efa tsy mety sitrana izahay? Nanantena fiadanana izahay, kanjo tsy nahita asa, ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.[Na: fahafinaretana]