Jeremiah 14:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, na dia miampanga anay aza ny helokay dia miasà ihany Ianao noho ny anaranao; fa be ny fikomianay; taminao no nanotanay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry Iaveh ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, aoka hanao ihany Ianao ho voninahitry ny Anaranao; fa maro ny hadisoanay; nanota taminao izahay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, miampanga anay ny fahadisoanay; nefa miasà Ianao ho voninahitry ny anaranao. Niodina taminao matetika izahay; taminao no nanotanay.
Malagasy Bible 1865
Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, miasà ihany Hianao noho ny anaranao; Fa be ny fiodinanay, taminao no nanotanay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, na dia miampanga anay aza ny helokay dia miasà ihany Ianao noho ny anaranao; fa be ny fikomianay; taminao no nanotanay.
malagasy
Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay, miasà ihany Hianao noho ny anaranao; Fa be ny fiodinanay, taminao no nanotanay.