Jeremiah 14:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana Ianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Ianao, RY TOMPO ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; aza dia mandao anay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahoana Ianao no ho tahaka ny olona very hevitra, tahaka ny lehilahy mahery tsy afa-manafaka? Kanefa eto afovoanay no itoeranao, ry Iaveh; ny Anaranao no antsoina hiaro anay; aza dia ilaozanao izahay! -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahoana no tahaka ny olona ankona ianao sy toy ny lehilahy mahery tsy afa-mamonjy? Kanefa dia eto afovoanay Ianao, TOMPO ô, ary izahay dia natokana ho Anao, koa aza arianao.
Malagasy Bible 1865
Nahoana Hianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Hianao, Jehovah ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; Aza dia mandao anay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana Ianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Ianao, RY TOMPO ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; aza dia mandao anay.
malagasy
Nahoana Hianao no dia toy ny olona ankona ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy? Nefa mbola ato aminay ihany Hianao, Jehovah ô, ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay; Aza dia mandao anay.