Jeremiah 15:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy izay lehilahy ilàna ady sy fifandirana eny amin’ny tany rehetra! Tsy nisambo-bola aho, ary tsy nisy nisambo-bola tamiko, nefa dia ozonin’ny olona rehetra ihany aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Loza ho ahy, ry neny, ny niterahanao ahy, mba ho olona filàna ady amam-pifandirana amin’ny tany rehetra aho. Tsy mba nisambotra na inona na inona aho, tsy nampisambotra na inona na inona tamiko izy, nefa manozona ahy avokoa izy rehetra!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lozako, ry Neny nahitako masoandro! Tsy misy olona toherina sy ilàna ady hoatra ahy eto amin’ny tany manontolo. Tsy nampanjana-bola aho na nisambotra volan’olona, nefa ozonin’ny olon-drehetra.
Malagasy Bible 1865
Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin'ny tany rehetra! Tsy nampanàna vola aho, ary tsy nisy nanàna vola tamiko, nefa ozonin'ny olona rehetra ihany aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy izay lehilahy ilàna ady sy fifandirana eny amin’ny tany rehetra! Tsy nisambo-bola aho, ary tsy nisy nisambo-bola tamiko, nefa dia ozonin’ny olona rehetra ihany aho.
malagasy
[Fitarainan'i Jeremia tamin'Andriamanitra, sy ny teny fampiononana navaliny azy] Lozako, ry neny, ny niterahanao ahy, Izay lehilahy ilana ady sy fifandirana eny amin'ny tany rehetra! Tsy nampanàna vola aho, ary tsy nisy nanàna vola tamiko, nefa ozonin'ny olona rehetra ihany aho.