Jeremiah 15:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin’ny tany tsy fantatrao izany; fa mirehitra ny afon’ny fahatezerako ka handoro anareo no irehetany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary hafindrako miaraka amin’ny fahavalonao, ho any amin’ny tany tsy fantatrao; fa nisy afo nirehitra tamin’ny fahatezerako; dia hirehitra eo amboninareo izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampanompoiko ny fahavalonao ianao any amin’ny tany tsy fantatrao; fa mipoitra ny afom-pahatezerako ka handoro anao no irehetany.
Malagasy Bible 1865
Ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin'ny tany tsy fantatrao izany; Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, ka handoro anareo no irehetany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin’ny tany tsy fantatrao izany; fa mirehitra ny afon’ny fahatezerako ka handoro anareo no irehetany.
malagasy
Ary hampitondraiko ny fahavalonao ho any amin'ny tany tsy fantatrao izany; Fa arehitra ny afon'ny fahatezerako, ka handoro anareo no irehetany.[Heb. Fa misy afo arehitra amin'ny fahatezerako]