Jeremiah 15:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako? Nahoana no marary ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny ranotrambo va Ianao, dia rano tsy azo itokiana?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahoana no dia tsy misy farany ny fijaliako, ary manaintaina ny feriko, sady tsy mety sitrana? Moa ho tahaka ny rano mamitaka ho ahy va Ianao, ho tahaka ny rano tsy azoko itokiana?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahoana no mitohy ny fijaliako? Nahoana no tsy mety sitrana ny feriko sady tsy andairam-panafody? Ho tonga mamitaka ahy Ianao toy ny mason-dranotrambo ka tsy azo antoka hisy rano.
Malagasy Bible 1865
Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako, ary fatratra ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako? Nahoana no marary ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny ranotrambo va Ianao, dia rano tsy azo itokiana?
malagasy
Nahoana re no dia tsy mety mitsahatra ny faharariako, ary fatratra ny feriko ka tsy mety sitrana? Ho tonga amiko tahaka ny rano-trambo va Hianao, dia rano tsy azo itokiana?