Jeremiah 15:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Raha miverina ianao dia horaisiko indray ka hitsangana eo anatrehako; ary raha manavaka ny zava-tsoa amin’ny zava-poana ianao dia ho solom-bavako; hanatona anao indray ireny; fa tsy ianao no hanatona azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’i Iaveh: «Raha miverina amiko ianao, dia hampodiko indray; hitsangananao eo anatrehan’ny Tavako; ary raha manavaka izay sarobidy amin’izay tsinontsinona ianao, dia ho tahaka ny vavako; ary izy ireo hiverina hanatona anao; fa tsy ianao no hiverina hanatona azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Momba izany, dia izao no lazain’ny TOMPO: Raha miverina amiko ianao, dia horaisiko indray ka hanompo eo anatrehako. Raha milaza izay tokony holazaina ianao fa tsy miteniteny foana, dia ho mpitondrateniko. Hiverina aminao indray ireo olon’i Joda, fa tsy ianao no hiverina any aminy.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao no lazain’NY TOMPO: Raha miverina ianao dia horaisiko indray ka hitsangana eo anatrehako; ary raha manavaka ny zava-tsoa amin’ny zava-poana ianao dia ho solom-bavako; hanatona anao indray ireny; fa tsy ianao no hanatona azy.
malagasy
Koa izao no lazain'i Jehovah: Raha hiverina ianao, dia horaisiko indray, ka dia hitsangana eo anatrehako ianao; Ary raha manavaka ny zava-tsoa hiala amin'ny zava-poana ianao, dia ho solom-bavako; Hanatona anao indray ireny; Fa tsy ianao no hanatona azy,[Heb. hampivereniko]