Jeremiah 15:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy NY TOMPO; koa atsotrako kosa ny tanako hamely anao, ary efa mandringana anao Aho satria efa sasatra ny manenina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa nakifikao Aho, - teny marin’i Iaveh, - ka lasa nihemotra any ianao; ka indro kosa Aho maninjitra ny tanako aminao handringana anao, fa efa sasatry ny mamindra fo Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianao no nandao Ahy sy niamboho Ahy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Koa nahinjitro hamely anao ny tanako mba handevona anao fa efa sasatry ny mandefitra Aho.
Malagasy Bible 1865
Hianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy Jehovah, ka dia ahinjitro kosa ny tanako hamely anao, ka efa mandringana anao Aho, fa efa sasatra ny mandefitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy NY TOMPO; koa atsotrako kosa ny tanako hamely anao, ary efa mandringana anao Aho satria efa sasatra ny manenina.
malagasy
Hianao efa nahafoy Ahy sady efa nihemotra, hoy Jehovah, ka dia ahinjitro kosa ny tanako hamely anao, ka efa mandringana anao Aho, fa efa sasatra ny mandefitra.[Heb. manenina]