Jeremiah 15:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay niteraka fito dia mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menatra sy mangaihay izy; ary izay sisa eo aminy dia hatolotro ho voan’ny sabatra eo anoloan’ny fahavalony, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mahatsiaro reraka ny reny niteraka fito, efa hiala aina izy; milentika mbola antoandro ny masoandrony; mangaihay sy safo-kenatra izy. Izay sisa tavela aminy, hatolotro ho voan’ny sabatra eo anoloan’ny fahavalony, - teny marin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nihareraka ilay niteraka fito, ka misefosefo fiaina; nilentika antoandrobe ny masoandrony, ka menatra sy afa-baràka izy. Ary izay sisa velona dia hatolotro haringana eo anatrehan’ny fahavalony. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Izay niteraka fito dia mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menarina sy mangaihay izy; Ary izay sisa aminy dia hatolotro ho voan'ny sabatra eo anoloan'ny fahavalony, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay niteraka fito dia mihaosa, miala aina izy, milentika mbola antoandro ny masoandrony, menatra sy mangaihay izy; ary izay sisa eo aminy dia hatolotro ho voan’ny sabatra eo anoloan’ny fahavalony, hoy NY TOMPO.
malagasy