Jeremiah 16:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho fatin’ny aretina izy, nefa tsy hisaonana na halevina fa ho zezika eny ambonin’ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy ka ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia ny fatiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy ireo dia ho fatin’ny areti-mahafaty; tsy hitomaniana na halevina, ho tahaka ny zezika eo ambonin’ny tany. Ho fatin’ny sabatra ama-mosary; ary ny fatiny ho fihinan’ny voromanidina amam-bibin’ny tany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho fahafatesana mahatsiravina no hahafatesany ka tsy hitomaniana na halevina izy fa hijanona ho toy ny zezika eo amin’ny velaran-tany. Haripaky ny ady sy ny mosary izy, ka ny fatiny ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia.»
Malagasy Bible 1865
Ho fatin'ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin'ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho fatin’ny aretina izy, nefa tsy hisaonana na halevina fa ho zezika eny ambonin’ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy ka ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia ny fatiny.
malagasy
Ho fatin'ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin'ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.