Jeremiah 16:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; fa efa nesoriko tsy ho amin’ity firenena ity ny fiadanako, hoy NY TOMPO, dia ny famindrampo sy ny fiantrana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria izao no lazain’i Iaveh: «Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana, aza mandroso hitomany sy higogogogo miaraka amin’izy ireo; fa ny fiadanako dia efa noesoriko tamin’ity firenena ity, - teny marin’i Iaveh, - noesoriko taminy ny famindram-poko amam-piantràko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao koa no voalazan’ny TOMPO tamiko: «Aza miditra amin’ny tranom-paty na manatrika fandevenana na mitsapa alahelo akory, fa efa nesoriko tamin’ity vahoaka ity ny fihavanako sy ny hatsaram-poko ary ny fangorahako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah: Aza miditra amin'ny trano misy fisaonana, ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; Fa efa hesoriko tsy ho amin'ity firenena ity ny fiadanako, hoy Jehovah, dia ny famindram-po sy ny fiantrana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; fa efa nesoriko tsy ho amin’ity firenena ity ny fiadanako, hoy NY TOMPO, dia ny famindrampo sy ny fiantrana.
malagasy