Jeremiah 17:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ny rariny: Hilaozan’izany eo antenantenan’androny izy; ho lasa adala no hiafarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsipoy mikotrika izay atodiny, toy izany ny olona mahazo harena tsy an-drariny; fa tsy maintsy mandao izany eny antenantenan’ny androny, ary ho adala foana no hiafarany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny akoho mikotrika atodin-gana, toy izany izay manangon-karena tsy ara-drariny: eo antenatenan’androny izy no hilaozan’izany hareny izany, ka ho lasa adala no iafarany.
Malagasy Bible 1865
Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany, ka ho adala no farany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin’ny rariny: Hilaozan’izany eo antenantenan’androny izy; ho lasa adala no hiafarany.
malagasy
Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany, ka ho adala no farany.[Na: Hilaozan'izany eo an-tenatenan'androny izy]