Jeremiah 17:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izay mpanjaka na mpanapaka mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanàna ity mitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka, ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
amin’izany dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanana ìty, ny mpanjaka sy ny mpifehy, mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, dia hiditra izy ireo mitaingina kalesy aman-tsoavaly, izy sy ny mpifehy momba azy, mbamin’ny olona ao Jodà sy ny mponina ao Jerosalema; ary honenana mandrakizay ity tany ity.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay ireo mpanjaka mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida ka mandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy sy ireo mpitondra sy ny vahoakan’i Joda ary ireo mponina rehetra eto Jerosalema dia hahazo hiditra amin’ireo vavahady ireo hatrany; ary ity tanàna ity dia honenana mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hiditra amin'ny vavahadin'ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izay mpanjaka na mpanapaka mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, dia hiditra amin’ny vavahadin’ity tanàna ity mitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka, ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.
malagasy