Jeremiah 17:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ho avy ny olona avy amin’ny tanànan’ny Joda, ny manodidina an’i Jerosalema sy ny tanin’ny Benjamina, ny avy any Sefela sy ny tany havoana ary ny avy any Negeva ka hitondra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ditin-kazo mani-pofona, ary hitondra fanati-pisaorana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho avy ny olona avy amin’ny tanànan’i Jodà, sy amin’ny manodidina any Jerosalema, sy avy amin’ny tanànan’i Benjamina, amin’ny Sefelà sy amin’ny tendrombohitra ary amin’i Negeba, hitondra sorona dorana aman-tsorona, fanatitra aman’emboka manitra, hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay dia ho avy ireo olona avy amin’ny tanànan’i Joda sy ny manodidina an’i Jerosalema mbamin’ny faritanin’i Benjamîna ary koa ireo olona avy eny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny tany be tendrombohitra mbamin’ny faritr’i Negeba; ka hankao an-tempoly izy hanolotra sorona dorana manontolo sy sorona hafa, hanolotra fanatitra hanina sy vovo-javamanitra nafangaro ary sorom-pisaorana.
Malagasy Bible 1865
Ary ho avy ny olona avy amin'ny tanànan'ny Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema sy ny tanin'ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ho avy ny olona avy amin’ny tanànan’ny Joda, ny manodidina an’i Jerosalema sy ny tanin’ny Benjamina, ny avy any Sefela sy ny tany havoana ary ny avy any Negeva ka hitondra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ditin-kazo mani-pofona, ary hitondra fanati-pisaorana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy
Ary ho avy ny olona avy amin'ny tanànan'ny Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema sy ny tanin'ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah.[Heb. Sefela]Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin'ny vavahadin'i Jerosalema ihany amin'ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.