Jeremiah 17:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny ka miala amin’NY TOMPO ny fony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’i Iaveh ny fony!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: –Voaozona izay mitoky amin’olombelona sy miantehitra amin’ny nofo ho heriny ka mampiala ny fony amiko.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny ka miala amin’NY TOMPO ny fony.
malagasy
[Ny amin'ny fahatokiana olona sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, ary ny vavaka nataon'i Jeremia nangatahany famonjena] Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony.