Jeremiah 17:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ho tahaka ny anjavidy any an-tany ngazana izy ka tsy mba hahita ny soa, na dia avy aza izany; fa honina any amin’ny tany karankaina any an-tany efitra izy, dia any amin’ny tanin-tsira izay tsy azo onenana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy, ary rehefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany; honina amin’ny tany karankaina any an’efitra, any amin’ny tany sira, tsy misy mponina!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho tahaka ny anjavidy ao an-tany hay izy ka tsy hahita ny soa ho avy; hitoetra an-tsaham-bato any an-taniefitra izy dia eo amin’ny tanin-tsira tsy azo onenana.
Malagasy Bible 1865
Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin'ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin'ny tany sira izay tsy onenana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ho tahaka ny anjavidy any an-tany ngazana izy ka tsy mba hahita ny soa, na dia avy aza izany; fa honina any amin’ny tany karankaina any an-tany efitra izy, dia any amin’ny tanin-tsira izay tsy azo onenana.
malagasy
Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin'ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin'ny tany sira izay tsy onenana.[Na: ny anjavidy]