Jeremiah 18:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa amin’izany, lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, mamorona loza hihatra aminareo Aho ary mihevitra izay hamelezako anareo; koa samia miala amin’ny lalany ratsy avy ianareo ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary amin’izao, mitenena amin’ny olona any Jodà, sy amin’ny mponina ao Jerosalema, manao hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho mamorona loza hanjò anareo, sy mieritra izay hevitra hamelezana anareo. Koa samia ianareo miala amin’ny lalany ratsy, sy manitsy ny lalanareo aman’asanareo avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »
Malagasy Bible 1865
Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa amin’izany, lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, mamorona loza hihatra aminareo Aho ary mihevitra izay hamelezako anareo; koa samia miala amin’ny lalany ratsy avy ianareo ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
malagasy