Jeremiah 18:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hoy ireo: Tsy misy fanantenana ho anay! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay; eny, samy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy ireo anefa manao hoe: ‹Tsinontsinona izany! Izahay dia hanaraka ny hevitray ihany, sy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy ihany.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo nifikitra tamin’ny ditram-pony sy ny firehan-dratsiny izy ka namaly hoe: «Mamoiza! Izay efa tapakay ihany no hataonay.»
Malagasy Bible 1865
Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa hoy ireo: Tsy misy fanantenana ho anay! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay; eny, samy hanao araka ny ditran’ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
malagasy
Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.