Jeremiah 18:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin’ny herin’ny sabatra izy ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; ary aoka haripaky ny aretina ny lehilahy lehibe ao aminy ary ho fatin-tsabatra amin’ny ady ny zatovony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa amin’izany atolory ho amin’ny mosary ny zanany, ary afoizo ho amin’ny lelan-tsabatra izy ireo! Aoka ny vehivavy ao aminy ho faty anaka sy ho faty vady; aoka ny lehilahy ao aminy ho fatin’ny pesta; ary ny zatovo ao aminy ho fatin-tsabatra amin’ny ady!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, avelao ny zanany ho fatin’ny mosary; ary ny tenan’ireo mpiampanga ahy poteho amin’ny sabatra. Aoka ny vadiny ho maty anaka sy ho tonga mpitondratena. Aoka ny lehilahy lehibe haripaky ny areti-mandringana ary ny zatovony ho faty an’ady.
Malagasy Bible 1865
Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin'ny herin'ny sabatra izy, ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin'ny ady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin’ny herin’ny sabatra izy ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; ary aoka haripaky ny aretina ny lehilahy lehibe ao aminy ary ho fatin-tsabatra amin’ny ady ny zatovony.
malagasy