Jeremiah 18:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka hisy fidradradradrana ho re avy ao an-tranony rehefa mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Ianao; fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ny fidradradradrany ho re avy ao an-tranony, rehefa tonganao tampoka ao aminy, ny andian-jirika mitondra fiadiana. Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy ireo; sady efa nanafim-pandrika eo anoloan’ny tongotro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ny fidradradradrana no ho re avy ao an-tranony, rehefa hataonao tonga tampoka ny andia-miaramila hamely azy! Fa namela-pandrika hisamborana ahy izy sy nanafina harato haningorana ny tongotro.
Malagasy Bible 1865
Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka hisy fidradradradrana ho re avy ao an-tranony rehefa mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Ianao; fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.
malagasy
Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.