Jeremiah 18:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Ianao, TOMPO ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; aza avela ny helony; ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; mameleza azy amin’ny andro fahatezeranao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary fantatrao avokoa, ry Iaveh ô, ny fiokoan’izy ireo hamonoany ahy. Aza mamela ny helony; aza vonoina eo imasonao ny fahotany; fa aoka hitambotsitra eo anatrehanao izy, ary hasianao amin’ny andro fahatezeranao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, fantatrao avokoa ny teti-dratsy nokotrehiny hamonoana ahy ho faty. Ka aza avelanao ny helony ary aza kosehinao ny hadisoany. Aoka ho lavo eo anatrehanao izy, ary asio amin’ny androm-pahatezeranao.
Malagasy Bible 1865
Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Ianao, TOMPO ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; aza avela ny helony; ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; mameleza azy amin’ny andro fahatezeranao.
malagasy