Jeremiah 18:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tsy afaka manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’Israely? Hoy NY TOMPO. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Moa aho tsy mahazo manao aminareo, toraky ny nataon’io mpanefy tanimanga io, ry taranak’i Israely? - teny marin’i Iaveh. - Eny, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy, ianareo eo an-tanako, ry taranak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Moa tsy afaka manao aminareo toy izay ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry olon’i Israely, hoy ny fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO? Indro eo an-tanako ianareo, tahaka ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy.
Malagasy Bible 1865
Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa tsy afaka manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak’Israely? Hoy NY TOMPO. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan’ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak’Israely.
malagasy