Jeremiah 19:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ny mpanefy tanimanga ny vilany tany ka tsy azo atambatra intsony. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny tsy fisian’ny toeran-kafa handevenana intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Iavehn’ny tafika: Homontsaniko ity firenena sy ity tanàna ity, toy ny fanamòntsana ny vilanin’ny mpanefy, izay tsy azo atambatra intsony; ka any Tôfeta no handevenana noho ny tsy fisian’ny tany handevenana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka mitenena aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Hopotipotehiko ity vahoaka sy tanàna ity tahaka ny anapotipotehina ny siny tanimanga, ka tsy hisy fanafana intsony.› «Ary ny amin’i Tôfeta, dia any no handevenana fa tsy misy toerana handevenana intsony.
Malagasy Bible 1865
ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin'ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin’ny mpanefy tanimanga ny vilany tany ka tsy azo atambatra intsony. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny tsy fisian’ny toeran-kafa handevenana intsony.
malagasy