Jeremiah 19:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tranon’i Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an’i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony, ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra, sady nanidinany fanatitra aidina ho an’izay andriamanitra hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny trano ao Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’i Jodà, ho tonga sahala amin’ity fitoeran’i Tofeta ity, dia maloto; dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanidìnana fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny trano eto Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’i Joda dia ho tonga maloto tahaka ny toerana ao Tôfeta; eny, izany no hanjo ireo trano rehetra izay nandoroana vovo-javamanitra mifangaro teo an-tampony ho an’ireo andian-kintana eny an-danitra sady nandrarahana fanatitra divay ho an’ny andriamani-kafa.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny tranon'i Jerosalema sy ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an'i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'izay rehetra eny amin'ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho an'izay andriamani-kafa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tranon’i Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an’i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony, ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra, sady nanidinany fanatitra aidina ho an’izay andriamanitra hafa.
malagasy