Jeremiah 19:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan’NY TOMPO azy haminany; nitsangana teo amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO izy ka niteny tamin’ny vahoaka rehetra hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga avy any Tôfeta, izay nanirahan’i Iaveh haminaniany i Jeremia, ka dia nitsangana teo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh ary nilaza tamin’ny vahoaka rehetra hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tafaverina avy any Tôfeta izay nanirahan’ny TOMPO azy hampita hafatra i Jeremià, dia nitsangana teo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO, ary nanambara tamin’ny vahoaka rehetra teo hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan'i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah izy, dia nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan’NY TOMPO azy haminany; nitsangana teo amin’ny kianjan’ny tranon’NY TOMPO izy ka niteny tamin’ny vahoaka rehetra hoe:
malagasy
[Ny faminanian'i Jeremia ny loza, sy ny nanoheran'i Pasora azy] Ary Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan'i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah izy, dia nanao tamin'ny vahoaka rehetra hoe:Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ity tanàna ity sy amin'ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko.