Jeremiah 19:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary nanorina toerana fanaovana sorona ho an’ny Baala mba handoroany ny zanany ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Baala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanorina ireo fitoerana avo ho an’i Baala izy, handoroany ny zanany amin’ny afo ho sorona dorana ho an’i Baala. Zavatra tsy nandidiako na nolazaiko akory anefa izany; na mba niditra tao an-tsaiko velively.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanorina toeram-panasinana ho an’i Bahala izy mba handoroany ny zanany ho sorona dorana ho an’i Bahala eo. Nefa zavatra tsy nandidiako azy izany sady tsy noresahiko taminy na mba tonga tao am-poko velively.
Malagasy Bible 1865
ary nanorina ny fitoerana avo ho an'i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an'i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary nanorina toerana fanaovana sorona ho an’ny Baala* mba handoroany ny zanany ho fanatitra dorana manontolo ho an’i Baala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.
malagasy
ary nanorina ny fitoerana avo ho an'i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an'i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza.