Jeremiah 19:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hofoanako amin’ity tanàna ity ny fisainan’ny Joda sy Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony sy amin’ny tanan’izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hofoanako amin’ity fitoerana ity ny fisainan’i Jodà sy i Jerosalema; hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony izy, sy amin’ny tanan’ireo nitady ny ainy; ary ny fatiny homeko hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eto amin’ity toerana ity no hanafoanako ny pôlitikan’i Joda sy i Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anatrehan’ireo fahavalony izay mitady hahafaty azy ny mponina ao aminy, ary homeko ho sakafon’ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.
Malagasy Bible 1865
Ary hofoanako amin'ity tanàna ity ny fisainan'ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony sy amin'ny tànan'izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hofoanako amin’ity tanàna ity ny fisainan’ny Joda sy Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan’ny fahavalony sy amin’ny tanan’izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan’ny voromanidina sy ny bibidia.
malagasy
Ary hofoanako amin'ity tanàna ity ny fisainan'ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan'ny fahavalony sy amin'ny tànan'izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia.[Heb. hararako]