Jeremiah 19:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hampihinaniko ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy izy, ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy izy ao anatin’ny fahirano sy amin’ny fahaverezan-kevitra, izay haneren’ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataoko mihinana ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy izy; ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy; fa latsaka an-katerena amam-pahoriana mafy izy azon’ny afitsoky ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho ny fahirano sy ny fampahoriana hafitsok’ireo fahavalony izay hitady hahafaty azy, dia hasaiko mihinana ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy ny olona; ary hifampihinana koa izy.
Malagasy Bible 1865
Ary hampihinaniko ny nofon'ny zananilahy sy ny nofon'ny zananivavy izy, ary samy hihinana ny nofon'ny namany avy izy eo amin'ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren'ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hampihinaniko ny nofon’ny zanany lahy sy ny nofon’ny zanany vavy izy, ary samy hihinana ny nofon’ny namany avy izy ao anatin’ny fahirano sy amin’ny fahaverezan-kevitra, izay haneren’ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy.
malagasy