Jeremiah 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa mità ho any amin’ny moron-dranomasin’i Kitima ka zahao! Ary mandefasa iraka ho any Kedara ka diniho tsara, dia ho hitanareo raha mba efa nisy toy izao, na tsia:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa mità àry eny amin’ireo nosin’i Setima ka mijere; maniraha ho any Sedara, ka mandiniha tsara; dia jereo raha mba misy izay toy izao any.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa mba mandehana ange miampita any amin’ny nosy Kitima ka zahao, mba maniraha olona hanadihady any amin’ny Arabo ao Kedara, raha mahita toe-javatra tahaka izao any e!
Malagasy Bible 1865
Fa mità ho any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa mità ho any amin’ny moron-dranomasin’i Kitima ka zahao! Ary mandefasa iraka ho any Kedara ka diniho tsara, dia ho hitanareo raha mba efa nisy toy izao, na tsia:
malagasy
Fa mità ho any amin'ny moron-dranomasin'i Kitima, ka izahao, ary maniraha ho any Kedara, ka diniho tsara, dia aoka ho hitanareo na mba efa nisy toy izao, na tsia: