Jeremiah 2:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharano velona, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny Aho, Izaho loharanon’ny rano velona, ary lavaka no nohadiny ho azy, lavaka mitriatriatra, tsy mahatan-drano
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Faharatsiana roa sosona no nataon’ny vahoakako: fa sady nahafoy Ahy loharano velona izy no nihady lava-drano ho azy, kanjo lava-drano mitriatra ireny ka tsy nahatan-drano.
Malagasy Bible 1865
Fa zava-dratsy roa loha no nataon'ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an'ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharano velona, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.
malagasy
Fa zava-dratsy roa loha no nataon'ny oloko: Efa nahafoy Ahy, loharanon'aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an'ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.