Jeremiah 2:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ahoana no ilazanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Baala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha, ekeo izay nataonao, ry rameva vavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ahoana no hilazanao hoe: ‹Tsy nandoto tena aho, tsy nandeha nanaraka an’ireo Baala aho?› Zahao ny dian-tongotrao ao amin’ny Lohasaha, ka mieke ny nataonao! Rameva vavy faingan-tongotra, mifanapaka mankatsy mankarỳ ny diany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ahoana no ahasahianao nilaza hoe: «Tsy nandoto tena aho, tsy nanaraka ny fivavahana tamin’i Bahala?» Jereo ange izay nataonao tao an-tsaha e! Aoka hiaiky izay nataonao ianao, fa toy ny ramevavavy mihazakazaka etsy sy eroa.
Malagasy Bible 1865
Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin'ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin'ny alehany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ahoana no ilazanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Baala* aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha, ekeo izay nataonao, ry rameva vavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany,
malagasy
Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin'ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin'ny alehany,