Jeremiah 2:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia izay miteny amin’ny tapa-kazo hoe: Ianao no raiko, ary amin’ny vato hoe: Ianao no niteraka ahy. Fa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika ny tavako; nefa amin’ny andro fahoriany dia hiteny indray izy hoe: Mitsangàna ka vonjeo izahay!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay manao amin’ny hazo hoe: ‹Ianao no raiko›; sy amin’ny vato hoe: ‹Ianao no niteraka ahy.› Fa ny lamosina no natodiny ahy, fa tsy mba ny tavany, ka nony avy izay mahory azy, vao hanao hoe izy: ‹Mitsangàna, ka vonjeo izahay!›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny tapa-kazo itenenanareo hoe: «Ianao no raiko»; ary ny sarivongam-bato ilazanareo hoe: «Ianao no niteraka ahy». Tokony hijery manatrika Ahy ianareo, kanefa ny lamosina no atodikareo amiko. Saingy nony tra-pahoriana ianareo, dia hiantso vonjy amiko hoe: «Midira an-tsehatra ianao hamonjy anay»;
Malagasy Bible 1865
Dia izay manao amin'ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin'ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia izay miteny amin’ny tapa-kazo hoe: Ianao no raiko, ary amin’ny vato hoe: Ianao no niteraka ahy. Fa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika ny tavako; nefa amin’ny andro fahoriany dia hiteny indray izy hoe: Mitsangàna ka vonjeo izahay!
malagasy