Jeremiah 2:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry taranaka ankehitriny, dinihonareo ny tenin’NY TOMPO! Moa efa nanjary tany efitra ho an’ny Israely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no miteny hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany Aminao intsony?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taranaka ahoana re ianao izany e! Diniho ny tenin’i Iaveh: Moa tany efitra ho an’i Israely va Aho, moa tany maizim-pito va? Nahoana ny vahoakako no manao hoe: ‹Efa afaka izahay, ka tsy hiverina aminao intsony?›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hodinihinareo ny tenin’ny TOMPO ry taranaka ankehitriny! Moa ve efa nanjary mahatahotra toy ny taniefitra na toy ny tany ao anaty haizina Aho, ry Israely? Ry vahoakako, nahoana no ilazanareo hoe: «Efa afaka izahay ka tsy hiverina aminao intsony?»
Malagasy Bible 1865
Ry taranaka, dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry taranaka ankehitriny, dinihonareo ny tenin’NY TOMPO! Moa efa nanjary tany efitra ho an’ny Israely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no miteny hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany Aminao intsony?
malagasy
Ry taranaka, dinihonareo ny tenin'i Jehovah! Moa efa nanjary tany efitra ho an'ny Isiraely va Aho, na tany maizim-pito? Nahoana ny oloko no manao hoe: Afaka mikarenjy izahay ka tsy hankany aminao intsony?[Na: tany misy aizim-pito avy amin'i Jehovah]