Jeremiah 2:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny, izay tsy tratranao namaky ny tranonao akory, nefa novonoinao ka voan’ny rany ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatreny amin’ny rambon-dambanao eny, no ahitana ny ran’olo-mahantra tsy manan-tsiny; tsy azonao manamy trano izy ireo, nefa izany zava-drehetra izany no namonoanao azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hatramin’ny fitafianao avy no nahitana ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny. Tsy nahatratra azy nanapitsoka ny varavaranao akory ianao! Nefa na eo aza izany rehetra izany,
Malagasy Bible 1865
Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran'ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin'ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin'izany rehetra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran’ny mahantra tsy manan-tsiny, izay tsy tratranao namaky ny tranonao akory, nefa novonoinao ka voan’ny rany ianao.
malagasy
Ary koa eo an-tsisin-dambanao no ahitana ny ran'ny olona malahelo izay tsy manan-tsiny, tsy tamin'ny tami-trano no nahazoanao azy, fa tamin'izany rehetra izany.