Jeremiah 2:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mba nilaza izy hoe: Aiza NY TOMPO izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta sady nitarika antsika tany an-tany efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan’olona akory na nonenan’olona?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy ireny tsy mba nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh, izay nitondra antsika niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, nitari-dalana antsika tany an’efitra, tany amin’ny tany ngàzana sady vaky hentana, tany amin’ny tany karankaina sy aloky ny fahafatesana, tany amin’ny tany tsy falehan’olona, tsy onenan’olona?›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nanontany tena akory izy hoe: Mba aiza àry izao ny TOMPO izay nitondra antsika niala tany Ejipta sy nitarika antsika namakivaky ny taniefitra, faritany karankaina sy be hantsana, tany mangentana sy mampahatahotra fa tsy andalovan’olona sady tsy misy mponina?
Malagasy Bible 1865
Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan'olona akory na nonenan'olona?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mba nilaza izy hoe: Aiza NY TOMPO izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta sady nitarika antsika tany an-tany efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan’olona akory na nonenan’olona?
malagasy