Jeremiah 2:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitondra anareo niditra tany amin’ny tany mahavokatra Aho mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; kanjo nony tafiditra ianareo dia nolotoinareo ny taniko sady nataonareo fahavetavetana ny lovako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tany hoatra ny saha be hazo mamoa no nitondrako anareo, mba hihinananareo ny vokany aman-java-tsoa eo aminy. Kanjo nony tafiditra ianareo nolotoinareo ny taniko, ary nataonareo fahavetavetana ny lovako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho no nampiditra anareo ho ao amin’ny tany lonaka mba hihinananareo ny vokatra tsara avy aminy; kanjo rehefa tafiditra tao ianareo dia nolotoinareo ny taniko ary ny fananako nametrahanareo zava-maharikoriko.
Malagasy Bible 1865
Ary nitondra anareo niditra ho any amin'ny tany mahavokatra Aho, mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; Kanjo nony tafiditra ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, sady novetavetainareo ny lovako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitondra anareo niditra tany amin’ny tany mahavokatra Aho mba hihinananareo ny vokatra sy ny zavatra tsara eo aminy; kanjo nony tafiditra ianareo dia nolotoinareo ny taniko sady nataonareo fahavetavetana ny lovako.
malagasy