Jeremiah 2:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy mba niteny ny mpisorona hoe: Aiza NY TOMPO? Ary tsy nahalala Ahy ny mpitahiry ny lalàna; nanota Tamiko koa ny mpitondra, ary naminany tamin’ny anaran’ny Baala ny mpaminany ka nanaraka ireny tsy nahavita na inona na inona ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny mpisorona tsy nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh?› ny mpitan-dalàna, tsy nahalala Ahy: ny mpitondra, nivadika tamiko; ary ny mpaminany, naminany tamin’ny anaran’i Baala, ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nanontany akory ny mpisorona hoe: «Mba aiza àry izao ny TOMPO?» Ny mpahay lalàna kosa tsy nahalala Ahy, ireo mpitarika nikomy tamiko, ny mpaminany niteny tamin’ny anaran’i Bahala, ary izy rehetra samy nifikitra tamin’ny andriamani-tsiizy sady tsy mahasoa.
Malagasy Bible 1865
Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin'ny anaran'i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy mba niteny ny mpisorona hoe: Aiza NY TOMPO? Ary tsy nahalala Ahy ny mpitahiry ny lalàna; nanota Tamiko koa ny mpitondra, ary naminany tamin’ny anaran’ny Baala* ny mpaminany ka nanaraka ireny tsy nahavita na inona na inona ireny.
malagasy
Ny mpisorona tsy nanao hoe: Aiza Jehovah? Ary ny mpiadidy ny lalàna tsy nahalala Ahy; Ny mpitondra koa nanota tamiko, ary ny mpaminany naminany tamin'ny anaran'i Bala ka nanaraka ireny tsy mahasoa.[Heb. mpiandry ondry]