Jeremiah 20:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa reko ny endrikendriky ny besinimaro, misy fampangorohoroana manodidina, torio, eny, hotorìntsika koa izy; izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka miteny hoe: Angamba ho voataona izy, dia horesentsika sy hovalìntsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa reko ny vava ratsin’ny olona betsaka manao hoe: Fangorohoroana avy hatraiza hatraiza! Torio izy, andeha hotorintsika izy! Ny olona rehetra tsara fihavanana amiko, manao andry maso ny diako: Raha mety ho voatarika izy dia hahombiazantsika, ka dia hamaly faty azy isika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy ka manome anaram-bosotra hoe: «Fihorohoroana hatraiza hatraiza.» «Torio izy», hoy ny sasany; «Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa. Ireo sakaiza tiako indrindra aza dia miandry kendry tohina hahavoa ahy: «Izay angamba no hahavoafitaka azy sy haharesentsika azy, hoy ireo, ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty
Malagasy Bible 1865
Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa reko ny endrikendriky ny besinimaro, misy fampangorohoroana manodidina, torio, eny, hotorìntsika koa izy; izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka miteny hoe: Angamba ho voataona izy, dia horesentsika sy hovalìntsika.
malagasy