Jeremiah 20:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Ianao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, dia mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo. Ho hitako ny famalianao azy, fa Aminao no nanankinako ny adiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry Iavehn’ny tafika, Ianao izay mizaha toetra ny marina, izay mahita ny voa sy ny fo, hahita ny famalianao an’ireo aho, fa Ianao no nanankinako ny adiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, Ianao no mamantatra ny olo-marina sy mahita ny ao an’eritreriny sy ao am-pony. Ho hitako ny famalinao ireo mpanenjika ahy, satria efa nankiniko taminao ny adiko.
Malagasy Bible 1865
Fa Hianao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Ianao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, dia mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo. Ho hitako ny famalianao azy, fa Aminao no nanankinako ny adiko.
malagasy
Fa Hianao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko.