Jeremiah 20:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko fampihorohoroana ho an’ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ny masonao izany; ary hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny Joda rehetra, dia hoentiny ho babo any Babilona izy ka hovonoiny amin’ny sabatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria izao no lazain’i Iaveh: «Indro atolotro ho amin’ny fangorohoroana, ianao sy ny sakaizanao. Izy ireo ho lavon’ny sabatry ny fahavalony, ary ianao hahita maso an’izany. I Jodà rehetra koa hatolotro ho eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hoentiny babo any Babilôna izy ireo, ary hovonoiny amin’ny sabatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria izao no lazain’ny TOMPO: «Indro hatolotro ho amin’ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin’ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ny vahoakan’i Joda rehetra ka hoentiny ho babo any Babilôna na hovonoiny ho faty amin’ny sabatra.
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an'ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon'ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan'ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin'ny sabatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko fampihorohoroana ho an’ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ny masonao izany; ary hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ny Joda rehetra, dia hoentiny ho babo any Babilona izy ka hovonoiny amin’ny sabatra.
malagasy