Jeremiah 20:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao, dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babilona ianao ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin’ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao, ry Fasora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao, ho lasan-ko babo ianareo; ho any Babilôna ianao; ka any no hahafatesanao; any no handevenana anao, dia ianao mbamin’ny sakaizanao rehetra, izay naminanianao lainga.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ianao koa, ry Pasehora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia hobaboina. Ary rehefa tonga any Babilôna ianao, dia ho faty any sy halevina any; ho faty sy halevina any ny tenanao mbamin’ny namanao rehetra izay naminanianao lainga.
Malagasy Bible 1865
Ary ianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babylona ianao, ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin'ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao, dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babilona ianao ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin’ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
malagasy