Jeremiah 21:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, fony i Zedekia mpanjaka naniraka an’i Pasora, zanak’i Malkia, sy i Zefania, zanak’i Mahaseia mpisorona, hankany aminy hilaza hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no teny avy amin’i Iaveh natao tamin’i Jeremia, raha nirahin’i Sedesiasa mpanjaka, ho any aminy, i Fasora zanak’i Melkiasa sy i Sôfôniasa mpisorona, zanak’i Maasiasa, hanao aminy hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ho an’i Tsedekià mpanjaka. Fa nirahin’ny mpanjaka hankany amin’i Jeremià i Pasehora zanakalahin’i Malkià ary koa i Tsefanià mpisorona sady zanakalahin’i Mahaseià mba hangataka aminy hoe:
Malagasy Bible 1865
Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an'i Pasora, zanak'i Malkia, sy Zefania, zanak'i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, fony i Zedekia mpanjaka naniraka an’i Pasora, zanak’i Malkia, sy i Zefania, zanak’i Mahaseia mpisorona, hankany aminy hilaza hoe:
malagasy
[Ny amin'ny hahafahan'ny Kaldeana an'i Jerosalema] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an'i Pasora, zanak'i Malkia, sy Zefania, zanak'i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe: