Jeremiah 21:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry taranak’i Davida, izao no lazain’NY TOMPO: Manaova fitsarana marina isa-maraina ka afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny olona norobaina, fandrao hivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary hirehitra ka tsy hisy hahavono noho ny ratsy ataonareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ry taranak’i Davida: Izao no lazain’i Iaveh: Manaova fitsarana marina, hatramin’ny maraina; afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna, fandrao mipoaka hoatra ny afo ny fahatezerako, ka hirehitra tsy ho azon’olona vonoina, noho ny haratsian’ny ataonareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ianareo taranak’i Davida. Izao no lazain’ny TOMPO: Fanaovana fitsarana ara-drariny no tontosay isa-maraina. Afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany fandrao hitroatra ny fahatezerako ka ho afo mandoro tsy hay vonoina. Vokatry ny asa ratsy nataonareo izany.
Malagasy Bible 1865
Ry taranak'i Davida, izao no lazain'i Jehovah: Mitsarà isa-maraina, afaho amin'ny tanan'ny mpampahory ny alona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian'ny ataonareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry taranak’i Davida, izao no lazain’NY TOMPO: Manaova fitsarana marina isa-maraina ka afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny olona norobaina, fandrao hivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary hirehitra ka tsy hisy hahavono noho ny ratsy ataonareo.
malagasy