Jeremiah 21:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin’ny vatolampy amin’ny tany lemaka, hoy NY TOMPO, dia ianareo izay milaza hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra atỳ amin’ny fonenanay?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao kosa no momba anao, ry mponina ao an-dohasaha, ry vatolampin’ny tany lemaka, - teny marin’i Iaveh, - ianao izay manao hoe: Zovy moa no hidina atỳ aminay, sy hiditra atỳ amin’ny fierenay?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro avy hamely anareo Aho ry mponina erỳ ambanimbany, eo amin’ny vatolampy milembalemba, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; hamely anareo Aho, dia ianareo izay mihambo fa tsy misy fahavalo afa-midina hatreny aminareo na hiditra amin’ny fisitrihanareo.
Malagasy Bible 1865
Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin'ny vatolampy amin'ny tany lemaka, hoy Jehovah, dia ianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra ato amin'ny fonenanay?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin’ny vatolampy amin’ny tany lemaka, hoy NY TOMPO, dia ianareo izay milaza hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra atỳ amin’ny fonenanay?
malagasy
Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin'ny vatolampy amin'ny tany lemaka, hoy Jehovah, dia ianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra ato amin'ny fonenanay?Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin'ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.