Jeremiah 21:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miangavy anao aho, manontania amin’NY TOMPO ho anay; fa miady aminay i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona; angamba NY TOMPO hiteny aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan’ireo aminay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Masìna ianao, manontania an’i Iaveh ho anay, fa miady aminay i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna; angamba i Iaveh hanao indray ho anay ireo asany mahagaga lehibe rehetra, mba hialan’ilay io aminay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Raha sitrakao, anontanio ny TOMPO re ny momba antsika, satria miady amintsika i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Angamba mety hanao zava-mahagaga indray ny TOMPO, ka hanainga ny Babilônianina handao antsika.
Malagasy Bible 1865
Masìna ianao, manontania amin'i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan'ireo aminay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miangavy anao aho, manontania amin’NY TOMPO ho anay; fa miady aminay i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona; angamba NY TOMPO hiteny aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan’ireo aminay.
malagasy
Masìna ianao, manontania amin'i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan'ireo aminay.