Jeremiah 21:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa afaka izany, hoy NY TOMPO, i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanompony mbamin’ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary amin’ity tanàna ity, dia hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona sy eo an-tanan’ny fahavalony ary eo an-tanan’izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ny lelan-tsabatra ireo fa tsy hitsitsy, na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manaraka izany, - teny marin’i Iaveh, - hatolotro i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ny mpanompony, ny vahoaka, mbamin’izay rehetra sisa tsy matin’ny pesta sy ny sabatra ary ny mosary, amin’ity tanàna ity, ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy ho eo an-tanan’ny fahavalony ama-mpitady ny ainy, ka hasiany amin’ny lelan-tsabatra, tsy hotsitsiny, tsy hananany antra na indrafo akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aorian’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanàna izay sisa velona tamin’ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan’ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain’i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny.»
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin'ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin'ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin'ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa afaka izany, hoy NY TOMPO, i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanompony mbamin’ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary amin’ity tanàna ity, dia hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona sy eo an-tanan’ny fahavalony ary eo an-tanan’izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ny lelan-tsabatra ireo fa tsy hitsitsy, na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
malagasy