Jeremiah 22:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; mitomania sy midradradradrà noho ilay efa lasan-ko babo; fa tsy hiverina intsony izy na hahita ny tany nahaterahany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza itomaniana ilay maty ary aza igogogogoana izy io; fa ilay lasana no itomanio dia itomanio, fa tsy hiverina intsony izy, tsy hahita intsony ny tany nahaterahany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry olon’i Joda, Aza itomanianareo ny maty, dia i Jôsià mpanjaka; ary aza anaovanareo fisaonana izy; fa itomanio dia itomanio kosa ilay handeha, dia i Salòma mpanjaka, satria tsy hiverina intsony izy ka tsy hahita intsony ny tany nahaterahany.
Malagasy Bible 1865
Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; mitomania sy midradradradrà noho ilay efa lasan-ko babo; fa tsy hiverina intsony izy na hahita ny tany nahaterahany.
malagasy
Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.